https://grain.org/e/6032

Ny fihitaran’ny Daewoo ao amin’ny fandraharahana ara-pambolena any ivelan’ny Korea Atsimo

by GRAIN, Collectif TANY, Yayasan Pusaka | 10 Sep 2018

 

Ireo mpanao hetsika manohitra ny fanimbana ny ala ataon’ny orinasa koreana Posco Daewoo. Sary : Newsis, 2017.

Folo taona lasa izay dia nanakoako tamin’ny gazety eran-tany ity vaovao manafintohina ity : ny sampan’ny orinasa Daewoo Logistics, Madagascar Future Enterprise Corp., dia teo am-panatanterahana fifanarahana tamin’ny governemantan’i Madagasikara ny hanofany velaran-tany mahavokatra mahatratra 1.300.000 hektara mandritra ny 99 taona, izany hoe efa ho ny antsasaky ny tany azo volena ao amin’ny firenena. Nikasa hamboly katsaka sy palma fanaovana menaka amin’ny faritra efatra eto Madagasikara ity orinasa ity, ka ny vokatra dia haondrana any Korea Atsimo izay hahodin’izy ireo ho sakafom-biby sy solika avy amin’ny voly (agrocarburant). Adino ankehitriny ny faharesen’ny Daewoo Motors tamin’ny 1999 ary ny orinasa Daewoo ao Korea Atsimo, izay isan’ny vondron’orinasa lehibe indrindra eran-tany, ary mitohy mampivelatra ny fanjakàna ara-toekarena mifototra amin’ny indostria sy ny varotra ary ny harena voajanahary ihany koa, toa ny solika sy ny entona, ny mineraly sy ny sakafo.

Tamin’ny 2010, taorian’ny fitambarany tamin’ny Posco, iray amin’ireo mpamokatra vý (acier) lehibe indrindra ao Korea Atsimo, ny Daewoo International dia nanomboka niara-niasa tamin’ny Korea Rural Community Corporation, orinasam-panjakana natsangana tamin’ny 2000 mba hampandroso ny loharanon-tsakafo ho an’i Korea Atsimo any ivelany. Ny volana septambra 2011 dia niroso tamin’ny famokarana palma fakàna menaka tany Indonezia ny Posco Daewoo, ka faritra somary manahirana ara-politika no nokendreny niaraka tamin’ireo mpamatsy vola, dia i Papoazia. Papoazia no sisin-tany farany amin’ny palma fanaovana menaka indostrialy ao Indonezia. Nanomboka tamin’ny 2005 dia tena nahavariana ny fitombo isan’ny toeram-pambolena palma ao amin’io faritra io. Fito fotsiny ny toeram-pambolena niasa tao an-toerana talohan’ny 2005. Tamin’ny 2014 kosa dia maherin’ny 21 ireo orinasa mpamboly palma fanaovana menaka no tonga nisehatra ary mbola nisy 20 teo ho eo no teo am-piandrasana ny hahazoana fahazoan-dàlana hitrandraka. [1]

Ao amin’ny tranokalany dia milaza ny Daewoo fa manana tany midadasika mirefy 34.195 hektara nomena azy hambolena palma fakàna menaka miampy orinasa mpanodina maromaro amin’ny anaran’ny sampany ao Papoazia, dia ny PT Bio Inti Agrindo (PT BIA). Ny tanjony dia ny hamita tanteraka ny fambolena amin’ny 2018 ary handroso hatrany, hametraka fitaovana famokarana sy fivarotana sakafo azo avy amin’ny menaka. Kanefa eny an-toerana dia hita fa mbola lehibe lavitra noho izay nolazainy ao amin’ny tranokalany ny velaran-tany ambany fifehezan’ny Daewoo : 36.401 hektara. Ao amin’ny distrikan’i Merauke, ao Papoazia no misy ny toeram-pambolena tantanan’ny PT BIA ary nanomboka tamin’ny 2012 izany. [2]

Ireo olana any Papoazia

Betsaka ny fitarainana mipetraka amin’ny ataon’ireo sampanan’ny Daewoo ao Papoazia. Ao amin’ny tatitra momba ny faharetana dia milaza ny PT BIA fa manaraka ny lalàna indoneziana izay mandrara ny fandoroan-tanety mandritra ny asa fanarenan-tany [3]. Kanefa ny mponina ao an-toerana sy ny Global Forest Watch (GFW) [sampana manara-maso maneran-tany ny ala] dia manana fijery hafa mihitsy momba izany. Ireo porofo nangonin’ny GFW tao Indonezia nandritra ny firehetan’ireo ala marobe tamin’ny 2015 dia mampiseho fa ny ankamaroan’ny afo dia manodidina sy tao amin’ireo toerana fambolena palma fakàna menaka an’ny PT BIA avokoa [4].

Ankoatra ireo afo tsy ara-dalàna, dia milaza koa ny sasany fa tsy nahatanteraka ny adidiny ny Daewoo manoloana ireo mponina noroahana tamin’ny taniny. Voampanga ihany koa ity orinasa maro rantsana (multinationale) ity ho tsy nanaja ny fitsipika eo amin’ny fanaovana tatitra ireo fepetra momba ny asa any amin’ny toeram-pambolena. Nanomboka tamin’ny 2012 ny PT BIA no niasa ny tany any amin’ny faritr’i Iltadeh, ao UIilin, distrikan’i Merauke. Tsy nahazoany fankatoavana avy amin’ny Mahuze Kewan, mponina ao an-toerana sady tompontany, akory anefa izany. Nilaza ny orinasa fa nandoa 375.000.000 ropia (26.000 dolara eo ho eo) kanefa mponina amin’ny tanàna hafa fa tsy ny tompon’ny tany no nanefany izany. Nanaiky hanome 92.400 ropia (6.400 dolara eo ho eo) ho an’ny Mahuze Kewan ho fanonerana izany ary ny PT BIA sy nampanantena onitra hafa saingy tsy nisy fifanarahana milaza ny velaran-tany, ny faharetan’ny hampiasàny ny tany, ny vola homeny na ny drafitra momba izany. Tsy voatana mihitsy izany toky nomena izany. [5] Ankoatr’izany dia matetika nianjadian’ny herisetran’ireo miaramila mpiandraikitra ny fiarovana ny tobim-pambolen’ny PT BIA ireo mponina tamin’ny 2015 sy 2016. Notifirin’ireo miaramila izy ireo raha nisakana ny fidirana ao amin’ ny toby.

…ary ao Madagasikara

Tamin’ny taona 2006 no nananganana ny PT BIA. Ao Jakarta, Indonezia, ny foibeny ary nanomboka tamin’ny 2011 no niasa amin’ny maha sampan’ny Daewoo International Corp. azy izy. Misahana tamba-jotra sy asa isan-karazany any Madagasikara [6] ny PT BIA ary olona ambony ao amin’ny POSCO, toa an’i Oh-Joon Kwon, izay tale jeneraly sady filohany, no mitantana ihany koa ny PT BIA. Manaporofo izany fa liana hatrany amin’ny asa eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ara-pambolena any Madagasikara ny Daewoo, amin’ny alalan’ny sampany indoneziana, araky ny efa voalazan’ny tatitra tamin’ny 2013 [7]. Ho an’ny TANY, fikambanana malagasy miaro ny tany, ny fametrahana ny masoivohon’ i Korea Atsimo any Madagasikara tamin’ny volana jolay 2017 dia fanamafisana ny fanirian’i Korea Atsimo hamerina indray ilay tetikasany. Ny tatitra tamin’ny 2013 dia mampisongadina ihany koa ny rohy mampifandray ny vondrona Daewoo sy ny fitondram-panjakàna koreana tatsimo. Izay no nahatonga ny fikambanana TANY hanao taratasy misokatra ho an’ny Lehiben’ny Masoivohon’i Korea Atsimo ao Madagasikara, Kim Kwon-il, tamin’ny volana janoary 2018 [8], nanontany azy hoe aiza ho aiza izao ilay tetikasa fambolena tamin’ny taona 2008 ary inona no nampanantenaina azy ho setrin’ireo « fanomezana » maro sy fampiasam-bola koreana tatsimo mikasika tetikasa hafa ao Madagasikara, eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny fambolena, ny jono ary ny angovo azo avaozina.

Sarintany mampiseho ireo tetikasam-pandraharahana ara-pambolena efa mizotra any amin’ny firenena samihafa.

Fikarohana loharanom-pamatsiana ara-tsakafo any Okraina sy ao Myanmar

Ho an’ny Daewoo, ny fihitarana eo amin’ny fandraharahana ara-pambolena dia tsy mionona fotsiny eo amin’ny sehatr’asa fambolena. Ny tena ivon’ny andraikitry ny orinasa dia mbola varotra fa ny Daewoo dia miezaka ihany koa hametraka foto-drafitr’asa eo amin’ny fitsinjarana ny voamadinika, indrindra ny sompitra, toeram-panondranana, ozinina manodina ny voamadinika, sy ireo vokatra lehibe efatra, dia ny varim-bazaha, ny katsaka, ny soja ary ny vary. Tafiditra ho mpikamban’ny Grain and Feed Trade Association [GAFTA, fikambanam-barotra momba ny voamadinika sy ny sakafom-biby] tamin’ny 2015 ary ao amin’ny Federation of Oils, Seeds and Fats Association [FOSFA, federasionan’ireo fikambanana amin’ny menaka, ny ambioka ary ny fifaha (graisses)] tamin’ny 2016, mba hanohizana ny fanamafisana ny raharaham-barotra ara-tsakafo.

Manana ozinina fanodinana voamadinika anankiroa lehibe ity orinasa maro rantsana (multinationale) ity, ny iray ao Myanmar ary ny iray any Okraina. Azo lazaina fa fanalahidin’ny firoboroboana ara-toekaren’ny Daewoo i Myanmar rehefa niarina taorian’ny fahareseny tamin’ny 1999 ny orinasa ary nahita tahirin’entona an-dranomasina tao tamin’ny 2004. Nahazo ny fankatoavan’ny fitondram-panjakan’i Myanmar amin’ny fanorenana sy fametraha ozinina fanodianana ny vary izy tamin’ny taona 2017.

Noho ny fampiasa-mbola 21.000.000 dolara amerikana, dia nikasa ny Posco Daewoo hanorina sy hampiasa ozinina afaka manodina hatramin’ny 100.000 taonina isan-taona ao Twante, tanàna manamorona renirano, eo anelanelan’ny seranam-barotra ao Yangon (Rangoun) sy faritra fambolem-bary iray lehibe ao Ayeyarwady. Anaty fampilazana an-gazety dia nanazava ny orinasa fa ny tetikasa dia ahafahana mamboly sy manondrana vary Indica, mankany Eoropa indrindra indrindra, sy mankany Moyen-Orient, Shina ary Rosia [9]. Kanefa tsy nanaiky hilaza izy na momba ny velaran’ilay ozinina manontolo ao Twante, na ny hoe aiza sy ahoana no ahazoany ny famatsiana vary.

Tamin’ny 2017, ny Posco Daewoo dia nanohy ihany koa ny fanitarana teo amin’ny fandraharahana ara-pambolena tamin’ny fampiasam-bola 3.000.000 dolara amerikana, nananganana toby ho an’ny voamadinika tao amin’ny seranan’i Chornomorsk, any Okraina. Any amin’ny morontsiraka avaratra-andrefan’ny Ranomasina Mainty, ao atsimo-andrefan’ny Faritanin’i Odessa no misy an’i Chornomorsk. Ny fifanarahana niaraka tamin’ny Fedcom Invest, iray amin’ireo mpamokatra voamadinika lehibe indrindra ao Okraina, mihoatra ny iray tapitrisa taonina ny hadirin’ny varotra, no nahafahana nanamafy ny famatsiana voamadinika ao Okraina. Azo lazaina fa mandray anjara betsaka amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ao Korea Atsimo ity sahan’asa ity noho izy ahafahana mampitombo ny fanafarana sakafo ho an’ny firenena. [10] Voaroiroy amin’ny resaka kolikoly mifandray amin’ny State Food and Grain Corporation of Ukraine [orinasam-panjakana momba ny sakafo sy ny voamadinika] ny Fedcom Invest ka nahatonga ny famehezam-pananan’ny filohany, Aleksej Fedoricsev avy amin’ny Birao miady amin’ny kolikoly okrainiana. Tamin’ny volana mey 2017 anefa dia nanapakevitra ny mpitsara fa hofoanana io famehezam-pananan’ny Tale Jeneralin’ny Fedcom Invest io. Rehefa natonina noresahana ny tetikasa fitotoana ny voamandinika ny Posco Daewoo dia namaly, na tany Séoul na tany Okraina, fa tsiambaratelon’ny fifandraharahana ny antsipirian’ireo fampiasam-bola any Okraina ankehitriny ka tsy azo ambara aty ivelany fa mialoha ny faran’ny taona dia hanambara fanapahan-kevitra vaovao rizareo. [11]

Fetran’ny faritra fambolena palma famokarana menaka PT.BIA an’ny Posco Daewoo sy ny ala misy any Papoazia (Indonezia). Sary : Mighty Earth 2016

Teo aloha dia tsy nisy nifandraisany tamin’ny asa fambolena ny Daewoo, kanefa mazava fa mitady ny hampitombo be ny tombo-mbarony ao amin’ity sehatra ity ny orinasa ankehitriny. Maro ny antony mandrisika ny drafitra fanitarana ny orinasa maro rantsana. Hatramin’ny fanombohana ny Drafitra ankapobeny koreana tatsimo ho an’ny fampandrosoana ara-fambolena any ivelany tamin’ny 2012 [12] dia tsy noraharahin’ny fitondram-panjakan’i Korea Atsimo loatra ny fomba fiasan’ireo orinasa toy ny Daewoo any ivelany. Hita taratra hatrany am-boalohany noho izany ny tsy fisian’ny fepetra mamehy avy amin’ny governemanta.

Fanampin’izay dia toy ny kapoka mahery vaika ho an’ireo tantsaha madinika ao Korea-Atsimo ny fampitomboana ny fanafarana sakafo mba ho fanohanana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tamin’ny janoary 2018 dia nanambara tamin’ny filazam-baovao ny iray tamin’ireo tale jeneralin’ny Posco Daewoo fa ny orinasa dia mandray ny indostria ara-tsakafo ho isan’ny tanjony [13]. Ny filazambaovao sasantsany ao Korea Atsimo [14] dia mampiseho ny mahamety ny ataon’ny Daewoo mampandroso ny ho avin’ny loharanom-pamatsiana ara-tsakafo any ivelany, fa tsy manisy teny akory ny voka-dratsin’izany na ho an’ny tantsaha na ho an’ny mponina miaina any ifotony any Indonezia, any Madagasikara, any Myanmar, eny fa ny ao Korea ihany koa.

Daewoo : nanomboka tamin’ny bankiropitra ka hatramin’ny fivelaran’ireo vondromben’orinasa (“conglomérats”) koreana

Ny vondrona Daewoo [Daewoo Group], nitsangana tamin’ny 1967, dia lasa vondromben’orinasa lehibe faharoa (conglomérat) ao Korea Atsimo. Toy ny ankamaroan’ny orinasa maro rantsana ao Azia, ny Daewoo dia isan’ny sahirana noho ny krizy ara-bola nianjady tao Azia tamin’ny 1997 ary voatery nanambara fa bankirompotra tamin’ny taona 1999. Ity tovana an-tsisiny ity dia mampiseho ny fivoaran’ny vondrona Daewoo taorian’ny 1999, nony niarin-doha ny orinasa rehefa nahita tahirin’entona an-dranomasina tao Myanmar, ary nanamaro ny fidiram-bolany. [15] (Ireo marihina manokana dia mifandraika amin’ny tombotsoa ara-barotry ny Daewoo eo amin’ny loharano ara-pambolena).

2000 : Fanorenana ny Daewoo International Corporation taorian’ny nisarahany tamin’ny Daewoo Corporation
2004 : Nahitana ny tahirin’entona an-dranomasina tao Myanmar A-1. Fanambarana varotra maherin’ny 5 000 lavitrisa won koreana (izany hoe 4,5 lavitrisa dolara amerikana)
2006 : Nahitana ny tahirin’entona an-dranomasina Myanmar A-3
2008 : Fahavitan’ny fifanarahana ara-barotra ho an’ny entona avy ao amin’ny tahiry an-dranomasina ao Myanmar. Nihoatra ny 10 000 lavitrisa won coréens (9 lavitrisa dolara amerikana) ny varotra.
2009 : Fanambaràna ny fahazoana antoka fa hitondra tombotsoa ara-barotra ny fampandrosoana ny tahirin’entona an-dranomasina ao Myanmar
2010 : Fidirana ho mpikambana ao amin’ny vondrona POSCO
2011 : Fahazoana ny fahafahana mitrandraka ny tahiry East Sea 6-1.
Nanomoboka ny fambolena palma fakàna menaka tany Indonezia.
2012 : Fahazoana ny fifanarahana amin’ny fanatsarana ny General Hospital H. Adam Malik ao Indonezia.
Fanombohana ny famokarana ny arin-tany tao Narrabri, Aostralia.
Fifanarahana momba ny foibe famokarana herinaratra izay mitentina 1,06 lavitrisa dolara amerikana any Alzeria.
2013 : Fifanarahana momba ny foibe famokarana herinaratra mitentina 820 tapitrisa dolara amerikana any Ouzbékistan. Fanombohana ny famokarana ny tahirin’entona ao Birmania.
Fahavitan’ny fifanarahana fanorenana trano mijoalajoala, ny Northeast Asia Trade Tower (NEATT) ao Songdo. Fety fankalazana ny famokarana entona an-dranomasina ao Myanmar.
Fandraisana anjara ny 50 % amin’ny tetikasa famokarana solika maivana (tight oil) ao Kanada.
2014 : Fifanarahana momba ny tetikasa elektrika mahaleo tena 60 MW any Papouasie-Nouvelle-Guinée.
Fanekena fifanarahana mitentina 1,4 lavitrisa dolara amerikana mba hananganana foibe famokarana herin’aratra “cycle combiné” ao Alzeria.
Fanombohana ny fananganana hotely ao Myanmar.
Nihoarana ny 20 000 lavitrisa won koreana amin’ny varotra (taorian’ny fanambàrana ny kaonty).
2015 : Fanorenana ny sampana ao Panama.
Lasa mambran’ny Grain and Feed Trade Association [GAFTA].
Fifanarahana miaraka amin’ny Polisin’ny fanjakana ao Papouasie-Nouvelle-Guinée momba ny fanorenana tambajotran-tserasera sy fametrahana fakan-tsary fanaharamaso CCTV.
Fifanarahana miaraka amin’ny GM Ouzbékistan ho famatsiana piesina fiarakodia.
2016 : Fidirana ao amin’ny Federation of Oils, Seeds and Fats Associations Ltd. [FOSFA]
Fiovan’ny anaran’ny orinasa ho POSCO DAEWOO.
Fifanarahana amin’ny governemanta peroviana mba hamatsiana fiara mpitily manantsaina.
Fifanarahana amin’ny mpanamboatra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro mba hamatsiana takelaka mahavokatra (modules solaires) 30 MW.
Fifanarahana amin’ny orinasa mpamokatra fanafody lehibe indrindra ao Royaume-Uni, Boots UK Limited, mba hamidy any amin’ireo trano fivarotany kojakoja ho an’ny hatsara-tarehy any Korea.
2017 : Fahazoana ny fifanarahana mba hampiasana vola ao amin’ny ozinina fanodinana voamadinika ao Myanmar.
Fitambarana amin’ny foibe famokarana vy POSCO P&S.
Fahazoana ny fahafahana mitrandraka ao amin’ny Deep Sea Block DS-12 ao Bangladesh.
Fanaovana fifanekena miaraka amin’ny Grid UK mba hamatsiana “transformateurs” mitentina 50 lavitrisa won koreana.
Fanaovana fifanekena miaraka amin’ny governemantan’i Birmania mba hanomezana fiarabe fitaterana mpianatra 200.
Fanokafana ny Foibe fampirantiana koreana ao Yiwu, any Shina.

Nadika avy amin’ny lahatsoratra :


Rakitra nanovozan-kevitra

[1] Y.L. Franky and Selwyn Moran. Papua Oil Palm Atlas. 2015. Pusaka and Awas MIFEE https://awasmifee.potager.org/?p=1205

[2] Kabupaten Merauke. Izin lokasi Kabupaten Merauke kepada PT Bio Inti Agrindo untuk keperluan perkebunan kelapa sawit di Distrik Ulilin, Kabupaten Merauke. No. 258/tahun 2010.

[3] PT. BIA Environmental and Social Report 2016. http://www.daewoo.com/eng/foodResource.do

[4] Pusaka. 2015. Titik Api di Lahan Perusahaan Perkebunan Kelapa Sawit Papua. http://pusaka.or.id/2015/10/titik-api-di-lahan-perusahaan-perkebunan-kelapa-sawit-papua/

[5] Pusaka. PT. BIA Tidak Memenuhi Kewajibannya. 2014. http://pusaka.or.id/2014/08/pt-bia-tidak-memenuhi-kewajibannya/

[6] Company Overview of PT. Bio Inti Agrindo. 2018. https://www.bloomberg.com/research/stocks/private/snapshot.asp?privcapId=130922232

[7] “Korean diplomacy sees new opportunity in Madagascar”, Korea Herald, 17 February 2013, http://www.koreaherald.com/view.php?ud=20130217000341

[8] Lettre ouverte à son Excellence Monsieur Lim Sang-woo, ambassadeur de la République de Corée du Sud à Madagascar http://terresmalgaches.info/spip.php?article200

[9] Posco DAEWOO Expands Grain Business in Myanmar. 2017. https://www.daewoo.com/eng/pressReleaseView.do?u_id=5589&page_name=%2Feng%2FpressReleaseView.do

[10] Posco Daewoo Sustainability Report 2016. Beyond Trade, Pursuing Future Business. https://www.daewoo.com/inc/download2.jsp?destFileName=2016_POSCO_DAEWOO_Sustainability_Report_Eng.pdf&filepath=/downFiles/sustain/

[11] GRAIN communication with Posco Daewoo in Seoul on 13 April 2018 and with Posco Daewoo in Ukraine on 17 April 2018.

[12] South Korea Ministry for Food, Agriculture, Forestry and Fisheries. September 2012. South Korea Comprehensive Plan for Overseas Agricultural Development. Translated by ISC.

[13] Song su-hyun. January 2018. Posco Daewoo to focus on steel, gas and grains. Korea Herald. http://www.koreaherald.com/view.php?ud=20180126000678

[14] Ben Jackson. 2017. Meet the S. Korean Companies Destroying Indonesia’s Virgin Rainforest   https://www.koreaexpose.com/south-korean-companies-destroying-indonesia-virgin-rainforest/

[15] Posco Daewoo history. http://www.daewoo.com/eng/history.do

 

Author: GRAIN, Collectif TANY, Yayasan Pusaka
Links in this article:
  • [1] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftn1
  • [2] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftn15
  • [3] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger
  • [4] https://www.grain.org/article/entries/5951-daewoo-s-overseas-agribusiness-expansion
  • [5] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref1
  • [6] https://awasmifee.potager.org/?p=1205
  • [7] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref2
  • [8] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref3
  • [9] http://www.daewoo.com/eng/foodResource.do
  • [10] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref4
  • [11] http://pusaka.or.id/2015/10/titik-api-di-lahan-perusahaan-perkebunan-kelapa-sawit-papua/
  • [12] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref5
  • [13] http://pusaka.or.id/2014/08/pt-bia-tidak-memenuhi-kewajibannya/
  • [14] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref6
  • [15] https://www.bloomberg.com/research/stocks/private/snapshot.asp?privcapId=130922232
  • [16] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref7
  • [17] http://www.koreaherald.com/view.php?ud=20130217000341
  • [18] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref8
  • [19] http://terresmalgaches.info/spip.php?article200
  • [20] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref9
  • [21] https://www.daewoo.com/eng/pressReleaseView.do?u_id=5589&page_name=%2Feng%2FpressReleaseView.do
  • [22] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref10
  • [23] https://www.daewoo.com/inc/download2.jsp?destFileName=2016_POSCO_DAEWOO_Sustainability_Report_Eng.pdf&filepath=/downFiles/sustain/
  • [24] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref11
  • [25] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref12
  • [26] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref13
  • [27] http://www.koreaherald.com/view.php?ud=20180126000678
  • [28] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref14
  • [29] https://www.koreaexpose.com/south-korean-companies-destroying-indonesia-virgin-rainforest/
  • [30] https://www.grain.org/fr/article/entries/5954-l-expansion-de-daewoo-dans-l-agrobusiness-a-l-etranger#_ftnref15
  • [31] http://www.daewoo.com/eng/history.do